Tsy mitovy ny atao hoe "valy tanana" sy ny "atero ka alao" : iry voalohany dia hita matetika amin'ny lafiny arak'asa hamitàna asa iombonana hifamaliana ; itsy faharoa kosa dia fanehoana fifankatiavana sy fifanankalozana amin'ny alalan'ny fifamaliana fitia amin'ny alalan'ny tolotra izay mety ho zavatra, vola na fitia sy fifanampiana. Ny hoe "atero ka alao" dia mihevitra filaza mandidy, mandrisika ny olona hifanampy. Ny "atero ka alao" dia hifanaovana na an-kasoavana na an-karatsiana. Amin'izao fotoana dia mifono fifampitokisana izany satria mihitatra amin'ny fifanomezana vola na zavatra...

Ny fanabeazana dia miompana amin'ny lafiny telo : vatana, saina, fanahy. Ny lafika iorenan'ny fanabeazana ny olom-pirenena ho vanona dia ny "soatoavina". Teny no maha firenena ny firenena iray, etsy ankilany anefa mbola ahitàna fampifangaroana teny ny eny amin'ny tontolo hita maso sy ny re, izay no mahasarotra ny fampiasana tanteraka ny "teny malagasy" ; eo koa ny halavan'ny voamboalana malagasy tandrify ireo teny vahiny. Appel = Antso anarana. Registre = Bokin'anarana. Protége = hefina. Porte-documents = hefin-takelaka. Blouse = Hefin'akanjo. Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny foibe momba ny teny, ny akademy malagasy.

Lahabolana an-kira, fanao amin'ny faritra atsimo andrefan'ny nosy ny "beko" ka ny tena miangaly azy ity dia ry zareo Antandroy sy Masikoro ; fanao an-danonana (fahoriana na fifaliana) ity karazan-dahabolana ity. Tahaka ny karazana literatiora aman-dahabolana rehetra dia mivoatra ny "beko" ka na eo aza ny mbola fiangaliana ny "beko" nentim-paharazana dia efa misy ihany koa ny amin'ny endriny ankehitriny. Ho an'ny "beko" nentim-paharazana dia samy afaka mibeko avokoa ny rehetra : na kely na lehibe, indrindra ny zatovo lahy. Ny "beko" vaovao dia miavaka amin'ny tonony sy ny feony raha mitaha amin'ny nentim-paharazana ka ampiasaina amin'ny hira fanao any am-piangonana sy ny hira madinika izy ireny...

Ny hay famoronana resahana eto dia ilay vokatry ny saina tia karokaroka nataon'ireo mpanoratra namorona anaran-dahabolana ankoatra ireo efa nisy. Ohatra amin'izy ireny : Tôkalo, Vaninkalo, Sôvaramita, Riankalo. Nisy ny olona namorona ireo voalaza ireo araka izao manaraka izao : Tôkalo noforonon'i Radialf, ny Vaninkalo dia Mhef Bloh, ny Sôvaramita dia asa sain'i Ra-Phi ary ny Riankalo dia an'i Ranoë. Ny Tôkalo dia fifamenoana eo amin'ny tôkatôka sy ny tononkalo ka nasiana fiverenana fehezanteny eny antsefatsefaky ny tononkalo ary ny mpanatrika no manonona an'ilay fiverenana isan'andininy. Ny Vaninkalo dia  tononkalo mila vaniny amin'ny lafiny maro. Ny Sôvaramita dia sôva mingadona kidaombaramitakidaomità...

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...