Mikaikaiky noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana na ny fahataran'izany ny tantsaha amin'ny faritra maro tamin'ity taom-pambolena ity. Tsy ampy ho an'ny fanombohana ny famokarana ny rotsakorana amin'ny fiandohan'ny taom-pahavaratra tamin'ity taom-pambolena 2020 sy 2021 ity... 

Sehatra voalohany ifankaherezana sy ifanohanana ny fianankaviana. Ny fankaherezana ny zanaka dia manampy azy hanorina ny maha-izy azy, hivelatra ara-tsaina sy ara-piaraha-monina ka antoka ho an'ny hoaviny. Ny fifankaherezan'ny mpivady dia mampiroborobo ny fifankatiavana sy manampy azy ireo hanatsara hatrany ny fifandraisany, ary mampivelatra ny maha-olona ny tsirairay... 

♦ Ny politikan'ny fambolen-kazo dia nohatsaraina, nomena lanja " Ny fambolen-kazo ilaina ary manakaiky ny vahoaka" ohara zaza iray mamboly hazo iray. Maherin'ny 75.000 Ha ny fitambaran'ny velarana hovolena hazo manomboka ity volana janoary ity... ♦ Ny nonoka dia zava-maniry ao anatin'ny fianakaviamben'ny "Moracées", manana haavo 1,5 hatramin'ny 3,5 metatra, zava-maniry manasitrana aretina maro... 

Ny fifandraisana eo amin' ny Raiaman-dReny sy ny zanaka. (01-01-2021)

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...