Ny herisetra dia misy endriny maro toy ny risoriso ihany. Misy ny herisetra amin'ny vatana, amin'ny saina ary amin'ny fanahy ihany koa. Miteraka fahasimbam-piainana ireo herisetra rehetra ireo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny risoriso dia fanaovana zavatra tsy ara-dalàna sy tsy amim-pahamarinana. Ny fanaovana risoriso dia miteraka fahavoazana ho an'ireo manao azy, anefa mety hakasika ny rehetra ihany koa, izany hoe manimba zavatra maro. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Mahaiza mifanampy isika Malagasy amin'ny fanjifàna ny vokatra eto an-toerana, fa ny vita avy any ivelany manabe takolaka ny hafa fotsiny. Tsangan-kevitra apetraka ny hoe : "maro tohanan'ny maro". Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Mila filaminana isika na ara-tsaina na ara-batana na ara-panahy. Mila mifanaja ihany koa, indrindra ny fanajana ny fitsipi-pifehezana na ao an-tokantrano na eo amin'ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco