Tamin’izany andro izany,
nony voafantsika teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa,
dia nijanona nijery teo ny vahoaka,
ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
“Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany,
raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy”.
Ny miaramila koa naneso Azy,
ka nanatona nanolotra vinaingitra Azy,
ary nanao hoe:
“Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody,
vonjeo ny Tenanao”.
Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra
tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe:
“Ity no Mpanjakan’ny Jody”.
Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra
izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
“Raha Ianao no i Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay”.
Fa nanarin’ilay anankiray izy,
nataony hoe:
“Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra,
saingy hoe samy voaheloka ho faty izao?
Ny antsika dia rariny izao,
satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika;
fa ny Azy kosa
tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy”.
Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Tompoko, tsarovy aho,
rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao”.
Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminao
fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao”.