Ny vavaka dia fofon'ain'ny finoana. Ny olona mino sy matahotra an'Andriamanitra no miantsoantso mamoaka feo avy ao am-pony toa miantso vonjy. Amin'izao taonan'ny vavaka izao dia mifototra amin'ny mistery ny vavaka na ny zava-miafina fonosin'ny vavaka no resahin'ny Papa François amin'ny katesizy. Ny vavaka no mamelona ny finoantsika, koa aoka samy hiezana hanatsara ny fomba fivavahana. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

24 jona 2024 — Ny nahaterahan'i Joany Batista — Fankalazana manetriketrika — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra: handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 57-66. 80)

Anatin'ny iray volan'ny teny Malagasy isika amin'ny volana jona ity. Fahiny dia tamin'ny teny Grika ny nankalazana ny Lamesa, ary rehefa nihitatra ny fiangonana dia tamin'ny teny Latina ; tamin'ny Konsily Vatikana-II no nanapahana hevitra fa hatao amin'ny tenin-drazana ny Sorona Masina, ary io no nahafahana nampihatra ny teny Malagasy ihany ho amin'ny fankalazana eto Madagasikara. Ny Eokaristia dia entina hilazana ny Sorona Masina, ny kôminio, ny Vatsy Masina homena ireo marary... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny vavaka nataon'i Jesoa dia mariky ny fifandraisana sy ny fifankahazoana lalina tao aminy sy Andriamanitra Ray ; noho izany , izay tia vavaka tsy tapaka dia miombona tanteraka amin'i Jesoa sy amin'Andriamanitra Rainy. Miafina ao natin'ny misterin'ny fahariana ho antsika olombelona manokana, ny vidin'ny fahoriana amam-pijaliana ; ny fangalana ny taolan-tehezan'i Adama hanamboarana an'i Eva dia nisy ratra miafina. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...