27 ôktôbra 2024 — Alahady Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)
Alahady faha-30 mandavantaona — B : mpanelanelana sy mpanasitrana mahay miantra i jesoa kristy ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Nanova ny fon'ny olona i Jesoa, ary ny finoana no tena mahasitrana. Jamba ara-panahy isika ka mila mpanasitrana, matevina loatra ny sarona mandrakotra ny fahitana anaty manazava antsika. Saritsarin'Andriamanitra no fahazoantsika an'Andriamanitra izay zary sakana tsy hanompoantsika an'Andriamanitra marina amin'ny fo faly. Ny tena finoana no tena hery mampitsangana hitsena an'i Kristy sy hiara-hiasa amin'ny hafa, tsy olona mibahan-toerana, tsy tia tena fa manao ho zava-dehibe ny antson'Andriamanitra...
Manampy antsika ny vavaka fiderana, ary ny katesizy dia mamaritra izany. Ny fiderana no endrika vavaka izay manaiky eo no eo mivantana fa Andriamanitra no Andriamanitra. Mihira Azy ho an'ny Tenany ihany ny fiderana, manome voninahitra Azy, ary ambadik'izay ataon'Izy Andriamanitra satria Izy no Izy. Ny fiderana no mandray anjara amin'ny hasambaran'ny fo madio izay mino Azy amin'ny finoana... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
26 ôktôbra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco