Ny toerana mety sy tsara amin'ny fivavahana dia ny Eglizy, tranon'Andriamanitra, toerana sahazan'ny fivavahana litorjika ho an'ny ankohonana kristianina eo amin'ny Paroasy. Ny efitrano kely mangina miaraka amin'ny Soratra Masina sy ny sarimasina ihany koa dia azo naovana fivavahana samirery. Ny "sanctuaire" dia toerana fihavaozana amin'ny vavaka araka ny lovam-panahy... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
8 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)
Voalohan-toerana manabe amin'ny fivavahana ny fianakaviana kristianina ; noho ny fianakaviana kristianina miorina amin'ny Sakramentan'ny Fanambadiana, ka manjary "Eglizy ao an-tokantrano" izy, mianatra mivavaka ao ny zanak'Andriamanitra. Tompon'andraikitra amin'ny fanabeazana ny rahalahin'izy ireo sy ny anabaviny ao amin'i Kristy, amin'ny fivavahana ireo mpandraharaha voahosotra... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
7 nôvambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-10)
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco