Alahady sampankazo : Fandinihana ny fijalian'ny Tompo ; fahatsiarovana ny nidiran’ny tompo tao jerosalema. Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Zanaka natao hanaiky isika, mankatoa amim-pitiavana. Betsaka ny fahontantsika sy ny fahalemantsika koa aoka isika haka tahaka an'i Masindahy Piera dia ny fiovam-po amin'ny fibebahana. Izay miombina amin'i Kristy dia handresy hiaraka aminy manoloana ireo sedra ara-panahy...
12 aprily — Ny Masindahy Jules resahana amin'ity andor ity dia ilay papa tamin'ny taonjato fahefatra. Jules Voalohany no nahalalana aza, teraka tao Roma ny taona 280 ary nandray ny Fiketrahana Masina ny 06 febroary 337 hatramin'ny 12 aprily 352. Izy no papa faha-35.
Ny Eglizy dia vatan'i Kristy ; noho ny batemy dia vatana iray monja isika rehetra ao amin'i Kristy na dia maro aza. Ny Batemy dia fahateraham-baovao ho antsika : natsoboka ao amin'ny ain'i Kristy isika, naiditra ao amin'ny Eglizy isika ka manjary misitraka amin'ny fomba manokana ny fanoloran-tenan'i Kristy, izay maty sy nitsangan-ko velona... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
11 aprily — Ny Stanisals resahana eto dia ilay avy any Pologne, teraka tao Szczepanów ny 26 jolay 1030. Olona ambony sy fanta-bahoaka ny fianakaviana niavian'i Masindahy Stanislas. Nianatra tao Gniezno izy, avy eo dia tany Paris.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco