Manaiky ny manam-pahefana sy miara-mandray andraikitra ho an'ny soa iombonana ka isan'ireny ny fandoavan-ketra sy ny fiarovana ny tanindrazana. Ho fandraisana andraikitra dia hitompona ny zo handatsa-bato. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Sabotsy 25 jona 2022 — Ny Fo Madion'i Maria — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin'Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-51
Ny adidin'ny olom-pirenena : fanasoavana ny mpiara-belona, fandalàna ny marina, fitiavana sy fanompoana tanindrazana, fankatoavana ny fahefana ara-dalàna, fanatanterahana ny asa soa iombonana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 24 jona 2022 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; sady mahalala ny ondriko Aho no fantatry ny ondriko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 3-7
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco