Ny firehan-kevitra politikam-pitantanana tokony hanana dia : ny mikendry ny tanjom-piainana "soa iombonana" ho an'ny fiaraha-monina fa tsy tia kely. Tsy maintsy misy ny rindran-damina araka ny tanjona sy ny fironana amin'ny sehatra rehetra toy ny fikambanana sy ny antoko. Omena lanja ny fahambonian'ny olombelona, miohatra amin'ny zavatra hafa. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Zoma 29 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 54-58

28 jolay — Iray amin’ireo olomasina nanorina ny tananan’i Bretagne i Samson. Voalaza fa teraka tany amin’ny faritra Glamorgan ankehitriny, izany hoe izany hoe atsimo andrefan’i Pays de Galles izy io. Efa ela ny ray aman-dreniny no naniry hanan-janaka izay voa nahazo azy.

Anjaran'ny laika ny raharaha politika : mamorona sy mahay misantan-javatra, mitarika amin'ny sehatra sosialy, politika, fiharian-karena. Ny laika no foto iorenan'ny fiveralan'ny fiaraha-monina. Ilaina ny firotsahan'ny laika amin'ny raharaha politika mba ho fitaratra sy ho soa iombonana. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...