Raha amin'ny Eglizy dia ny finoana an'i Jesoa Kristy maty sy nitsanga-ko velona no fototry ny politika izany hoe tsy miala amin'ny fikatsahana ny soa iombonana : isan'ireny ny asa sôsialy toy ny fanabeazana, famolavolana ho olom-banona, miaro ny aina. Ny tokony hibaiko ny mpanao pôlitika dia ny fahefan'Andriamanitra izay mampiasa fahefana ara-drariny sy ny hitsiny, araka ny feon'ny fiheritreretana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alarobia 8 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 17-28)
Ny politika ho an'ny Eglizy dia mifototra amin'ny baiboly. Misy fisarahana ny fahefana pôlitika teo amin'ny Eglizy sy ny fanjakàna, ohatra amin'ireny ny toeran'i Cesar sy Andriamanitra. Mazava ny politika ho an'ny Eglizy, ireo mikasika ny famonjena ny olona ary tsy miantefa ho an'ny vondron'olona fa ho an'ny rehetra ; tsy toa izany ny an'ny fitondrana fa raharahan'antokon'olona. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 7 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco