5 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)
Ny olona afaka dia manompo an'Andriamanitra, manatanteraka ny asa an-tsitrapo, tsy misy nenina, miasa am-pitiavana. Ny asa ny vahoaka afaka dia mamaritra ny maha izy ny olombelona. Ny miasa maimaimpoana dia mahafoy ho an'ny hafa sy ny Tompo. Ny fitiavana an'Andriamanitra misokatra amin'ny fitiavana ny hafa dia mampitodika amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
4 aogositra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)
Hitan'Andriamanitra ny fahorian'ny vahoakany noandevozina ka nangoraka izy. Ireo rehetra mahakasika ny aina dia asa avokoa ; ny miasa an-kahalalahana miaraka amin'Andriamanitra dia fanompoana azy Tompo. Ny olona afaka dia miasa maimaim-poana ary mamorona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco