15 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)
Noho ny finoana ny Pakan'i Jesoa Kristy dia tratra ary feno ny soa iombonana tapitrohatra satria tokoa ao amin'ny Pakan'i Kristy no manazava tanteraka ny fahatanterahan'ilay tena soa iombonana marina ho an'ny taranak'olombelona. Tian'Andriamanitra ny olombelona ka antony namonjeny ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ary izay no naneken'i Jesoa hijaly sy hitsanga-ko velona, io no soa iombonana tapitrohatra. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
14 ôktôbra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 27-28)
Famaliana ny didim-pitiavan'i Kristy ny ezaka rehetra hikatsahana ny soa ho an'ny daholobe. "Didy vaovao no omeko anareo : mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo" Jn 13, 34. Ny fanorenana ny soa iombonana no hetahetan'ny Egilzy katôlika araka ny fampianarany momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy. Ny soa iombonana dia tsy misy lanjany raha tsy miompana amin'ny voaary manontolo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco