Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 44-52)

Indro hankany amin’ny jentily izahay.

Tamin’ny sabata nanaraka ny toritenin’i Paoly tao amin’ny sinagôga,
tany Antiôkia any Pisidia,
dia saika tafangona hihaino ny tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra.
Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany,
ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no navevateva azy.
Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe:

“Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra;
nefa noho ianareo mandà Azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay,
dia indro hankany amin’ny jentily izahay.
Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay:
Efa natsangako ho fahazavan’ny jentily ianao,
mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazan-tany.”

Faly ny jentily nony nandre izany,
ka nankalaza ny tenin’ny Tompo,
ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Dia niely eran’izany tany izany ny tenin’ny Tompo.
Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra,
mbamin’ny loholona tao an-tanàna,
ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe,
sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny.
Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga an’ireo,
dia lasa nankany Ikôniôma,
ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4

Hitan’ny vazan-tany rehetra ny famonjen’ny Andriamanitray.

Ihirao antsa vao ny Tompo:
fa mahagaga ny zava-bitany!
Fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny!

Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjena amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay fitiavany tsy mivadika!

He zahao e, ry vazan-tany,
izato vonjin’Andriamanitra!
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 7-14)

Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray koa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha nahafantatra Ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Raiko koa;
hatramin’izao,
dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy.”

Dia hoy i Filipo taminy:

“Asehoy anay ny Ray, Tompoko
dia ampy ho anay izany.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Izay ela izay no nitoerako teto aminareo
ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo?
Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa;
ka ahoana no anaovanao hoe:
Asehoy anay ny Ray?
Tsy mino ve ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko?
Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko;
fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy,
dia hanao ny asa ataoko koa,
ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho,
ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako
dia hotanterahiko avokoa,
mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka.
Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo,
dia hotanterahiko izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 26-33)

Notanterahin’Andriamanitra ny teny napetraka tamin’ny Razantsika tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany Pisidia any Antiôkia i Paoly,
dia niteny tao amin’ny Sinagôga nanao hoe:

“Ry rahalahy taranak’i Abrahama
sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa,
ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao,
satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny
dia tsy nahalala Azy,
ka nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany izay vakìna isan-tsabata,
tamin’ny nanamelohany Azy;
ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana Azy ho faty aza izy ireo,
dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty.
Tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba Azy,
vao nesoriny tamin’ny hazo Izy, ka naleviny tao am-pasana.
Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona.
Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin’izay niara-niakatra taminy
avy tany Galilea ho any Jerosalema Izy,
ka dia ireo no vavolombelony amin’ny vahoaka ankehitriny.
Ary izahay koa mitory aminareo
ilay teny napetraka tamin’ny razantsika,
fa notanterahin’Andriamanitra tamintsika zanak’izy ireo izany,
tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona,
araka izay voasoratra amin’ny Salamo faharoa hoe:
Zanako Ianao: Izaho no niteraka Anao androany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 2, 6-7. 8-9. 10-11

Zanako Ianao Izaho no niteraka Anao androany.

Izaho no nametraka Azy ho Mpanjaka
eo Siôna vohitro masina!
Koa ambarako ny didin’ny Tompo:
Zanako Ianao, hoy Izy mantsy Ahy: Izaho no niteraka Anao androany.

Angataho amiko fa homeko ho lovanao ireo firenena,
ny ho fanananao ny faran’ny tany!
Poteho amin-tehim-by ireny,
ataovy fanamontsana vilany tany!

Koa mahafantara, ianareo Mpanjaka,
mahalalà, ry mpitsara ny tany!
Tompoy amin-tahotra ny Tompo;
orohy amin-kovitra ny tongony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.
Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.
Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko;
raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho;
fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo,
ary rahefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo,
dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko,
dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako.”

Dia hoy i Tômà taminy:

“Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko,
ka ahoana no ahafantaranay ny lalana?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 13-25)

Avy amin’ny taranak’i Davida no nomoahan’Andriamanitra an’i Jesoa Mpamonjy.

Tamin’izany andro izany,
dia niondrana an-tsambo tao Pafôsy i Paoly sy ny namany,
ka tonga tany Perjy any Panfilia;
ary nisaraka tamin’izy ireo teo i Joany,
ka lasa niverina tany Jerosalema.
Fa izy ireo kosa niala tany Perjy,
dia tonga tany Antiôkia any Pisidia,
ary niditra tao amin’ny sinagôga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo.
Nony vita ny famakiana ny bokin’ny Lalàna sy ny mpaminany,
dia nilaza tamin’izy ireo ny lehiben’ny sinagôga nanao hoe:

“Ry Rahalahy,
ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin’ny olona.”

Dia nitsangana i Paoly,
nanofa tanana azy hangina ka nanao hoe:

“Mihainoa, ry Israelita,
sy ianareo izay matahotra an’Andriamanitra.
Ny Andriamanitr’izao vahoaka Israely izao
no efa nifidy ny razantsika sy nanandratra ny vahoaka
fony izy nitoetra tany Ejipta;
ary tamin’ny sandry mahery no nanesorany azy tao.
Namelona azy tokony ho efapolo taona tany an’efitra Izy,
ary nony efa nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanaana Izy
dia nanome ny faritanin’ireny ho fananany,
tokony ho dimampolo sy efajato taona.
Taorian’izay,
dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin’i Samoela mpaminany.
Nony afaka izany,
dia nangataka mpanjaka izy ireo,
ka nomen’Andriamanitra an’i Saoly zanak’i Sisy,
lehilahy avy amin’ny fokon’i Benjamina,
naharitra efapolo taona.
Nony nesoriny kosa indray i Saoly,
i Davida no natsangany ho mpanjakan’izy ireo,
dia ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe:
Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko,
izay hanao ny sitra-poko rehetra.
Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa,
araka ny nampanantenainy,
ho Mpamonjy an’i Israely.
Talohan’ny nahatongavany anefa,
dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra;
ary rahefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy:
Tsy izaho no ilay andrasanareo,
fa indro avy aoriako Izy,
ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 2-3. 21-22. 25 sy 27

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo!
Hambarako amin’ny taona rehetra ny fahamarinanao!
Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko;
voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!

I Davida mpanompoko no sitrako:
ka nohosorako ilo masina.
Ny tanako homba azy;
ny sandriko hankahery.

Ny fahamarinana sy hatsaram-poko hanjohy azy;
ny Anarako hanandratra ny tandrony!
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao,
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)

Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony efa voasasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianany,
dia hoy Izy tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina dia marina aminareo:
Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony;
na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy.
Raha fantatrareo izany,
dia ho sambatra ianareo raha manao izany.
Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidìko);
fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe:
Izay miara-mihinana mofo amiko
no hanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.
Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany,
mba hinoanareo rahefa tanteraka fa Izaho no Izy.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 12, 24 — 13, 5a)

Atokàny ho Ahy i Saoly sy i Barnabe.

Tamin’izany andro izany, dia nandroso niely ny tenin’ny Tompo,
ka nahavokatra mpianatra maro hatrany.
Nony vita ny raharahan’i Barnabe sy i Saoly tao Jerosalema,
dia niverina tany Antiôkia izy,
ary nitondra an’i Joany izay atao hoe Marka hiaraka aminy.
Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra:
dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe i Mainty,
i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly.
Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo
dia hoy ny Fanahy Masina taminy:

“Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe,
mba hanao ny asa izay niantsoako azy.”

Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo
dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy, vao nandefa azy handeha.

Dia nirahin’ny Fanahy Masina i Saoly sy i Barnabe
ka lasa nankany Seleosia,
mba hiondrana an-tsambo eo, ho any Sipra.
Nony tonga tany Salamina izy,
dia nitory ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny Sinagôgan’ny Jody.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 6 sy 8

Hidera Anao anie ny vahoaka, ry Andriamanitra; hidera Anao anie ny vahoaka rehetra.

Hiantran’Andriamanitra anie isika, hotsimbininy,
ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany!
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!

Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony.
Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny,
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.

Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 44-50)

Tonga amin’izao tontolo izao Aho ho fahazavana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanambara hoe:

“Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany,
fa izay naniraka Ahy;
ary izay mahita Ahy, dia mahita izay naniraka Ahy.
Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho,
mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy,
dia tsy mitsara azy Aho;
satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako
fa hamonjy azy.
Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko,
misy izay hitsara azy:
dia ny teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro,
satria tsy niteny ho Ahy Aho,
fa ny Ray izay naniraka Ahy
no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko.
Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay.
Koa ny zavatra lazaiko àry,
dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...