Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 8, 5-8. 14-17)

Nametrahany tanana izy ireo ka nandray ny Fanahy Masina.

Tamin’izany andro izany,
i Filipo Diakra, dia nidina tany an-tanànan’i Samaria,
ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.
Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be,
ka nihaino tsara izay nolazainy.
Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto
no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy;
betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;
ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!
Rehefa ren’ny Apôstôly tany Jerosalema
fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria,
dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany.
Nony tonga tany izy roa lahy dia nivavaka ho an’ny olona
mba handraisany ny Fanahy Masina;
satria vita Batemy tamin’ny anaran’i Jesoa Tompo izy ireo,
fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza.
Dia nametrahany tanana izy ireo,
ka nandray ny Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 65, 1-3a. 4-5. 6-7a. 16 sy 20

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo;
antsao ny Anarany be voninahitra.
Ataovy mafy ny antso fideràna Azy:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.

Miankohoka aminao ny tany tontolo
sy miantsa ny Anaranao, miantsa Anao!
Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra,
mahatahotra ny ataony ho an’ny olombelona.

Ny ranomasina novàny ho tanety,
nandehanana tongotra ny ony.
Koa aoka isika hifaly aminy.
Ny heriny manapaka mandrakizay.

Tongava ianareo matahotra ny Tompo,
hitantaràko izay nataony tamiko.
Hisaorana anie Andriamanitra:
Ny fitiavany tsy nalàny tamiko.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 3, 15-18)

Novonoina tamin’ny nofo i Kristy fa novelomina tamin’ny fanahy.

Ry hava-malala,
i Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo.
Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana,
an’izay rehetra manontany anareo
ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo,
mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra
no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara
ataonareo ao amin’i Kristy.
Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana,
raha izany no sitrapon’Andriamanitra,
toy izay amin’ny fanaovan-dratsy.
Na i Kristy koa aza,
niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika,
dia Izy marina ho an’ny tsy marina,
mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra,
ka novonoina tamin’ny nofo Izy,
fa novelomina tamin’ny fanahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo,
dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 15-21)

Hangataka amin’ny Raiko Aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray,
ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo,
mba hitoetra eo aminareo mandrakizay,
dia ny Fanahin’ny fahamarinana,
izay tsy azon’izao tontolo izao raisina,
satria tsy hitany, ka tsy fantany,
fa ianareo no hahafantatra Azy,
satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy.
Tsy havelako ho kamboty ianareo,
fa hankaty aminareo Aho.
Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao;
fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho,
ary ho velona koa ianareo.
Amin’izany andro izany,
dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko,
ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy;
ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko sy ho tiako koa,
ka haneho ny Tenako aminy Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 7, 1-7)

Nifidy lehilahy fito feno ny Fanahy Masina ny Apôstôly.

Tamin’izany andro izany, rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra,
dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista,
satria tsy mba nahìna loatra tamin’ny fizarana ny fiantrana isan’andro
ny mpitondra tena tao aminy.
Ka novorian’ny roa ambin’ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe:

“Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo,
ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.
Koa amin’izany,
ry rahalahy havana iray finoana,
mifidiana fito lahy eo aminareo,
izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena,
mba hametrahanay izany raharaha izany;
ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny”.

Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany,
ka nofidìny i Etiena lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina,
i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy,
ary i Nikôlà, prôzelita avy any Antiôkia.
Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo,
ka nametrahany tanana nony efa vita ny fivavahana.
Dia niely ny tenin’Andriamanitra,
nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema,
ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 32, 1-2. 4-5. 18-19

Homba anay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny hitokianay Anao.

Ry olo-marina, hobio ny Tompo.
Ny olo-mahitsy no mendrika hidera.
Derao amin-dokanga ny Tompo,
antsao am-baliha tory folo.

Fa marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.

Izay matahotra ny Tompo no ahìny;
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny tao-mosarena.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 2, 4-9)

Ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka.

Ry hava-malala,
manatòna an’i Jesoa Tompo, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa,
nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa;
ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona,
mba hitsangana ho tempoly fanahy,
ho mpisorona masina,
ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe:

“Indro Aho mametraka vato fehizoro ao Siôna,
dia vato voafidy sy saro-bidy,
ary izay mino Azy tsy hangaihay”.

Koa voninahitra ho anareo izay mino;
fa ho an’izay tsy mino kosa dia:

“Ny vato nolavin’ny mpanao trano
no efa tonga fehizoro ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina”;

fa tafintohina amin’ny teny izy ireo satria tsy nanaiky,
sady izany rahateo no nanendrena azy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy,
mpisorona manjaka,
firenena masina,
vahoaka navotana,
mba hitorianareo ny hatsaran’ilay niantso anareo
hiala tamin’ny haizina,
ho amin’ny fahazavany mahagaga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-12)

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.
Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.
Misy toerana maro ao an-tranon’ny Raiko,
raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho;
fa handeha Aho hanamboatra toerana ho anareo,
ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo,
dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko,
dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako”.

Dia hoy i Tômà taminy:

“Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko,
ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Raha nahafantatra Ahy ianareo,
dia ho nahafantatra ny Raiko koa;
hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo,
sady efa nahita Azy”.

Dia hoy i Filipo taminy:

“Asehoy anay ny Ray, Tompoko,
dia ampy ho anay izany”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Izay ela izay no nitoerako teto aminareo,
ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo?
Izay nahita Ahy,
dia nahita ny Ray koa;
ka ahoana no anaovanao hoe:
Asehoy anay ny Ray?
Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray,
ary ny Ray ato amiko?
Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko,
fa ny Ray Izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy,
dia hanao ny asa ataoko koa,
ary hanao mihoatra noho izany aza izy,
satria mankany amin’ny Ray Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14a. 36-41)

Nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy iny lehilahy iny.

Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera,
ka nanao antso avo tamin’ny Jody hoe:

“Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina,
fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny,
no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”.

Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona,
ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany:

“Inona àry, ry rahalahy, no hataonay ?”

Dia hoy i Piera tamin’izy ireo:

“Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra,
mba hahazo ny famelana ny fahotanareo,
dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana,
sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any,
rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika koa”.

Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe:

“Vonjeo ny tenanareo
mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity”.

Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny,
ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra
tamin’izany andro izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6

Ny Tompo no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.

Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany,
tarihiny amin’ny lala-marina.

Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 2, 20b-25)

Indro ankehitriny fa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

Ry hava-malala,
raha manao soa ianareo no ampahoriana,
ka miaritra amim-pandeferana,
dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Sady izany koa no niantsoana anareo,
satria i Kristy nijaly ho anareo koa,
ka namela fianarana ho anareo,
mba hanarahanareo ny diany;
dia Izy, Ilay tsy nanota akory,
na mba niloa-bava nilaza fitaka velively;
Izy Ilay notevatevaina, nefa tsy nandrahona,
fa nanolo-Tena tamin’ny mpitsara Azy tsy ara-drariny;
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo,
mba ho faty isika raha ny amin’ny ota,
fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana;
ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo,
ary indro ankehitriny
efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo,
sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)

Izaho no vavahadin’ny ondry.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny Farisianina hoe:

“Lazaiko marina aminareo,
fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry,
fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy,
ny ondry mihaino ny feony,
ary izy miantso ny Azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
Rehefa tafavoakany avokoa ny azy,
dia mialoha izy,
ka manaraka azy ny ondry,
satria mahalala ny feony;
ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany,
satria tsy fantany ny feony”.

Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany,
nefa tsy azon’ireo izay nolazainy tamin’izany.
Ka hoy indray i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa Izaho no varavaran’ny ondry.
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako,
fa tsy nihaino azy ny ondry.
Izaho no varavarana.
Raha Izaho no idiran’ny olona, dia hovonjena izy,
ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana,
fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana,
sady hananany azy be dia be”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 11, 1-18)

Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.

Tamin’izany andro izany,
dia ren’ny Apôstôly sy ny rahalahy tany Jodea
fa hoe nandray ny tenin’Andriamanitra koa ny Jentily.
Koa nony tafakatra tany Jerosalema i Piera,
dia nomen’ireo mpino voafora tsiny, nataony hoe:

“Nahoana ianao no niantrano tany amin’ny olona tsy voafora,
sady niara-nihinana taminy?”

Dia nitantara ny zava-niseho hatramin’ny niandohany i Piera ka nanao hoe:

“Raha nivavaka tany an-tanàna Jôpe aho,
dia azon-tsindrimandry ka nahita zavatra anankiray toa lamba lehibe
nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra,
tonga tao amiko.
Nony nijery azy aho ka nandinika,
dia hitako tao ny biby manana tongotra efatra,
ny biby dia, ny biby mandady, ary ny voromanidina.
Ary nisy feo reko koa nanao hoe:

Mitsangàna, ry Piera, mamonoa ka mihinàna.

Fa hoy izaho:

Sanatria, Tompoko,
tsy mba nisy zavatra fady sy maloto mba niditra tao am-bavako.

Fa niteny indray ilay feo tany an-danitra nanao hoe:

Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.

Intelo no naverina natao izany,
dia nakarina tany an-danitra indray izany rehetra izany.
Niaraka tamin’izay,
dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao an-trano nitoerako,
nirahina avy tany Sezarea hankany amiko.
Ary hoy ny Fanahy Masina tamiko:

Aza misalasala hiaraka amin’izy ireo.

Dia niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto,
ka niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay.
Notantarain-dralehilahy taminay
ny nahitany ny Anjely nitsangana tao an-tranony,
ka nanao taminy hoe:

Maniraha ho any Jôpe,
ampanalao i Simôna izay atao hoe Piera,
fa izy no hilaza aminao ny teny izay hahavonjy anao
sy ny ankohonanao rehetra.
Ary raha vao niteny tamin’izy ireo aho,
dia nidina taminy toy ny nidinany tamintsika taloha koa ny Fanahy Masina.

Tamin’izay, dia tsaroako ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

I Joany nanao batemy tamin’ny rano,
fa ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina.

Koa raha fanomezana sahala no nomen’Andriamanitra azy sy antsika
izay nino an’i Jesoa Kristy Tompo,
iza moa aho no afa-mifanohitra amin’Andriamanitra?”

Nony nandre izany izy ireo,
dia sady nangina no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana
hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 41, 2-3 ; 42, 3. 4.

Mangetaheta an’ilay Andriamanitra velona ny fanahiko.

Mova tsy serfa izay lian-doharano.
Ny foko efa liana ny Tompoko!
Mangetaheta ny Tompo ny foko,
dia Ilay Andriamanitra velona.
Mba rahoviana aho re no handroso,
hiseho anoloan’Andriamanitra?

Tsilovy aho hahita ny lalana,
tariho mba hahita azy marina.
Hitody any am-bohitrao masina,
ilay toerana ataonao fonenana.

Handroso aho, ry Tompo Andriamanitro,
higoka ny tena hasambarako.
Valiha no hanaraka ny hirako,
hidera ny Tompo Andriamanitro!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 11-18)

Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Izaho no Mpiandry ondry tsara.
Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
fa ny mpikarama kosa,
noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry,
vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry,
fa ny ambodia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,
satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.
Izaho no mpiandry ondry tsara,
sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy,
tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa,
ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity,
ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko;
dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
Izao no itiavan’ny Ray Ahy:
satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.
Tsy misy maka azy amiko, fa ny tenako ihany no mahafoy azy;
manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray:
izany no didy azoko tamin’ny Raiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...