Vakiteny voalohany

Bokin’i Barôka Mpaminany (Bar. 5, 1-9)

Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra.

Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema;
fa ny fanamiam-boninahitra avy amin’Andriamanitra tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy,
mihodidîna ny kapaotim-pahamarinana avy amin’Andriamanitra,
ataovy ao an-dohanao ny hamamian’ny voninahitr’Ilay mandrakizay.
Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra.
Hotononin’Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao:
“Fiadanam-pahamarinana”, “Famiratam-pitiavam-bavaka”.
Mitsangàna, ry Jerosalema, mijoroa eo amin’ny havoana, mitazàna miantsinanana,
ka jereo irery zanakao tafavory noho ny tenin’Ilay Masina,
hatrany andrefana ka hatrany atsinanana,
miravoravo noho ny nahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo.
Mandeha tongotra no nandaozany anao, nobaboin’ny fahavalo;
fa entina amim-boninahitra no amerenan’Andriamanitra azy aminao,
hoatra ny seza fiandrianan’ny mpanjaka.
Satria nasain’Andriamanitra nietry avokoa rehefa mety ho tendrombohitra avo,
amam-batolampy fahagola ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hahamarintampona ny tany,
mba handehanan’i Israely tsy voasembantsembana ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.
Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza,
nanome ny alokalony ho an’i Israely avokoa noho ny didin’Andriamanitra.
Fa hoentin’Andriamanitra amin-kafaliana i Israely, amin’ny fahazavan’ny voninahiny,
hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

Eny nanao zava-dehibe ho antsika tokoa ny Tompo; ka revon-kafaliana isika.

Raha ny Tompo nampody an’i Siôna izay babo,
dia toa nofinofy ny anay;
vakin’ny hehy izahay,
nanakoako ny hiranay!

Ireo firenena kosa nitakoritsika:
“Lalina ity nataon’ny Tompo taminy!”
Lalina tokoa ny nataony taminay:
koa akory ity hafalianay!

Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay;
avereno faingana toy ny ranotrambo.
Izay mamafy amin-dranomaso
no mijinja amin-kira.

Eny tokoa, raha mandroso no tomany
am-panipazana ny voa;
fa nony miverina, manakora sy mihoby
no milanja ny vokatra!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 1, 4-6. 8-11)

Dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo.

Ry kristianina havana,
mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho,
noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely,
hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo,
dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’i Kristy Jesoa indrindra aho.
Ary izao no angatahiko aminy,
dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo,
mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa,
dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo,
ary ho feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy,
ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 1-6)

Hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara,
fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea,
i Herôda no tetrarka tany Galilea,
i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida,
i Lisanià no tetrarka tany Abilena,
ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona,
dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra.
Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy,
nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka,
araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Re ny feon’ilay miantso avy an’efitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany;
ny lohasaha rehetra hototofana,
ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy,
ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina,
dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 30, 19-21. 23-26)

Miantra anao Andriamanitra ka mamindra fo aminao raha vao mitaraina ianao.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra masin’i Israely :
Ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema,
tsy hitomany intsony ianao,
fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo;
raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao.
Homen’ny Tompo anareo ny hanim-piahiahiana mafy
sy ny ranom-pahoriana,
ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao,
ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao.
Ary raha ianareo hivily
na ho ankavanana na ho ankavia,
dia handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe:

“Itý no lalana, ka ombao io!”

Ny Tompo handefa ny ranonorany
amin’ny voa nafafinao amin’ny tany,
ary ny tany hahavokatra mofo,
tsara tokoa sady betsaka,
amin’izany andro izany ny biby fiompinareo
hihinana eny amin’ny tany fiandrasana malalaka,
ary ny omby aman’ampondra miasa ny tany,
hihinam-bilom-bary matsiro,
voakororoka tamin’ny lapela aman-tsahafa.
Eny an-tendrombohitra avo rehetra,
eny an-kavoana avo rehetra,
hisy sakeli-drano aman-dranovelona,
amin’ny andro famonoam-be,
sy hianjeran’ny tilikambo.
Ny hazavan’ny volana
ho tahaka ny hazavan’ny masoandro;
ary ny hazavan’ny masoandro
ho avo fito heny,
tahaka ny hazavan’ny hafitoana,
amin’ny andro hamehezan’ny Tompo
ny ratran’ny vahoakany,
sy hanasitranany ny fery namelezany azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 146, 1-2. 3-4. 5-6

Sambatra izay rehetra manantena ny Tompo.

Derao ny Tompo fa tsara!
Antsao ny Andriamanitsika fa mamy:
eny, mendrika Azy ny dera!
Ny Tompo! Ilay manorina an’i Jerosalema,
manangona ny tafaely amin’i Israely.

Manasitrana ny torotoro fo;
sy mamehy ny ferin’izy ireo!
Ilay manisa tsirairay ny kintana,
sy miantso azy amin’ny anarany.

Tompontsika lehibe sy mahery,
Ilay tsy hita isa ny fahalalany!
Tompo manarina ny ory,
sy mampiohoka an-tany ny olon-dratsy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 35 — 10, 1 sy 6-8)

Onena i Jesoa nahita ireo vahoaka.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly
sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny tompom-bary
mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”

Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary hoy Izy:

“Mankanesa any amin’ny ondry very
amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty,
diovy ny boka, roahy ny demony;
nahazo maimaim-poana ianareo,
koa manomeza maimaim-poana.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 29, 17-24)

Amin’izany andro izany, hahiratra ny mason’ny jamba.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Tsy vetivety foana va
dia ho zary saha misy hazo mamoa i Libàna,
ary ny saha misy hazo mamoa dia atao ho ala?
Amin’izany andro izany,
ny marenina handre ny tenin’ny boky
ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.
Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany amin’ny Tompo,
ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana
ao amin’Ilay Masin’i Israely.
Satria lasa tsy hita intsony ny mpampahory
ary maty ny mpaniratsira,
ary ho ringana izay rehetra mamoron-tsain-dratsy,
dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraim-bava;
mamela-pandrika ho an’izay namaky betroka azy eo am-bavahady;
ary mamery ny marina amin’ny laingany.

Noho izany,
izao no lazain’ny Tompo amin’ny taranak’i Jakôba,
dia Izy izay nanavotra an’i Abrahama:

“Tsy hisy hahamenatra an’i Jakôba intsony,
tsy hivaloarika intsony ny handriny.
Fa izy sy ireo taranany,
rahefa mahita ny asan’ny tanako eo aminy,
dia hanamasina ny Anarako izy ireo,
hanamasina an’Ilay Masin’i Jakôba izy ireo,
ary hanaja ny Andriamanitr’i Israely.
Ireo mivily saina, hianatra fahendrena,
ary ireo mimonomonona, handray fampianarana.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 26, 1. 4. 13-14

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko.

Ny Tompo no Fanilo sy Vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no Mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
sy tozoiko indrindra, ry Tompo,
dia ny honina ao an-Tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako.

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny Tanin’ny Velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 27-31)

Nino an’i Jesoa ireo jamba roa lahy nahiratra.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy jamba roa lahy nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana
sady niantso mafy nanao hoe:

“Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!”

Nony tonga tany an-trano Izy,
dia nanatona Azy ireto jamba,
ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?”

Hoy ireo taminy:

“Eny, Tompoko.”

Dia notendreny ny masony, ka hoy Izy:

“Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo.”

Dia nahiratra ny masony,
ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe:

“Tandremo sao ren’olona izao.”

Kanjo nony nandeha ireo,
dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 26, 1-6)

Avelao hiditra ny firenena marina, mitana ny fahamarinana.

Amin’izany andro izany,
hohiraina ao amin’ny tanin’i Jodà izao hira izao:
Manana tanàna mafy isika!
Ny famonjeny no ataony mandany sy manda ivelany.
Vohay ny vavahady, avelao hiditra ny firenena marina,
mitana ny fahamarinana.
Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana
noho izy matoky anao.
Matokia ny Tompo mandrakizay ianareo,
fa vatolampin’ny taona rehetra Izy.
Manetry izay nonina any amin’ny havoana Izy,
naniva azy amin’ny tany,
nataony mikasika ny vovoka izy,
ka voahosihosin’ny tongotra izy,
dia ny tongotry ny ambany toetra
sy ny dian’ny ory.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 117, 1. 8-9. 19-21. 25-27a

Hisaorana amin’ny Anaran’ny Tompo anie Ilay avy.

Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo!
Fa mandrakizay ny fitiavany!
Aleo dia aleo re mifefy amin’ny Tompo,
toy izay re mifefy amin’olona.
Aleoko tokoa re mifefy amin’ny Tompo,
toy izay amin’olo-mahery.
Vohay ny varavaran’ny fahamarinana,
hidirako hisaotra ny Tompo.
Fa eto tokoa ny varavaran’ny Tompo:
Ny Masina no miditra aminy.
Isaorako Ianao, fa mihaino ahy, ry Tompo:
nanaiky ho Mpamonjy ny aiko.
Tongava, ry Tompo, tongava hamonjy;
tongava hanome fandresena.
Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Tompo,
Ilay tonga avy amin’ny anarany.
Ho tsofinay rano tokoa ianareo,
mivory ato an-tranon’ny Tompo.
Fa tena Andriamanitra ilay Tompontsika,
manilo ary koa manazava.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 7, 21. 24-27)

Izay manao ny sitra-pon’ny Raiko no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo!
no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra;
fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra,
izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Koa amin’izany,
na zovy na zovy mandre izao teniko izao
ka mitandrina azy,
dia hohàrina amin’ny lehilahy hendry
izay nanorina ny tranony
teo ambonin’ny vatolampy;
ary latsaka ny ranonorana
ka tondraka ny ony,
ary nifofofofo ny rivotra
namely izany trano izany,
nefa tsy nianjera izy,
fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.

Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao,
ka tsy mitandrina azy,
dia hanahaka ny lehilahy adala
nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika;
ary latsaka ny ranonorana
ka tondraka ny ony,
ary nifofofofo ny rivotra
namely izany trano izany,
dia nianjera izy
ka loza ny faharavany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...