Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 29, 17-24)

Amin’izany andro izany, hahiratra ny mason’ny jamba.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Tsy vetivety foana va
dia ho zary saha misy hazo mamoa i Libàna,
ary ny saha misy hazo mamoa dia atao ho ala?
Amin’izany andro izany,
ny marenina handre ny tenin’ny boky
ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.
Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany amin’ny Tompo,
ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana
ao amin’Ilay Masin’i Israely.
Satria lasa tsy hita intsony ny mpampahory
ary maty ny mpaniratsira,
ary ho ringana izay rehetra mamoron-tsain-dratsy,
dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraim-bava;
mamela-pandrika ho an’izay namaky betroka azy eo am-bavahady;
ary mamery ny marina amin’ny laingany.

Noho izany,
izao no lazain’ny Tompo amin’ny taranak’i Jakôba,
dia Izy izay nanavotra an’i Abrahama:

“Tsy hisy hahamenatra an’i Jakôba intsony,
tsy hivaloarika intsony ny handriny.
Fa izy sy ireo taranany,
rahefa mahita ny asan’ny tanako eo aminy,
dia hanamasina ny Anarako izy ireo,
hanamasina an’Ilay Masin’i Jakôba izy ireo,
ary hanaja ny Andriamanitr’i Israely.
Ireo mivily saina, hianatra fahendrena,
ary ireo mimonomonona, handray fampianarana.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 26, 1. 4. 13-14

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko.

Ny Tompo no Fanilo sy Vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no Mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
sy tozoiko indrindra, ry Tompo,
dia ny honina ao an-Tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako.

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny Tanin’ny Velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 27-31)

Nino an’i Jesoa ireo jamba roa lahy nahiratra.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy jamba roa lahy nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana
sady niantso mafy nanao hoe:

“Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!”

Nony tonga tany an-trano Izy,
dia nanatona Azy ireto jamba,
ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?”

Hoy ireo taminy:

“Eny, Tompoko.”

Dia notendreny ny masony, ka hoy Izy:

“Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo.”

Dia nahiratra ny masony,
ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe:

“Tandremo sao ren’olona izao.”

Kanjo nony nandeha ireo,
dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...