Ny fifandraisana eo amin' ny Raiaman-dReny sy ny zanaka. (01-01-2021)

Ny tanjona sy ny tarigetra dia samy hafa mihitsy. Ny fiainana dia misy dingana marobe hanatrarana tanjona iray na maromaro. Ny tanjona dia faniriana zavatra tiana ho tratrarina ary mety ho tratra. Ny tarigetra kosa dia filamatra izany hoe faniriana zavatra tsara tiana sy ezahina hiainanana andavanandro. Ny teknika dia fomba entina hanatanterahana ny asa, izay azo ianarana ary azo hiombonana. Ny Paik'ady dia vokatry ny haranintan-tsain'ny tsirairay ary mampisongadina ny maha izy  azy...

Tranga matetika miseho amin'ny vehivavy bevohoka ny fivontosana amin'ny faritra maro amin'ny vatana. Ny hafanana dia mandrisika kokoa ny fivontosana. Ny fivontosana miseho amin'ny vehivavy bevohoka dia noho ny fivontosan'ny elanelan'ny sela. Antony fototra mahatonga azy ny fiasan'ny tsirimpanentana, ny lalan-drà voatery, ny tosi-drà... Ny telo volana farany amin'ny vanim-potoana hitondrana vohoka no tena miseho ny fivontosana... 

Miteraka faharatsian'ny kalitaon'ny hena vokarina ny tsy fahalavorarian'ny sakafo omena ny biby fiompy. Mbola ambany ny fampiasàn'ny tantsaha mpiompy ny provandy hanatsaràna ny sakafon'ny biby fiompy mba ahazoana vokatra tsara kalitao... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...