Cradec : Mila fiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao ny tanora miasa na maniry hisehatra ao anatin'ny tetikasa fampandrosoana, isan'izany ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny tetikasa dia vahaolana amin'ny olana misy amin'ny faritra na fiaraha-monina izay lasa fitaovana. Ny babakoto na ny amboanala dia hita any amin'ny faritra Andapa, Maroantsetra, manampy amin'ny fambolen-kazo. Natomboka tamin'ny fomba ofisialy tany Manantantely faritra Anosy ny fambolen-kazo...
Hanova ny fiainan-tokatrano ny fanehoam-pitiavana eo amin' ny mpivady. (20-01-2021)
Ny fahasalamana no voalohan-kerena ary ambara fa tototry ny zavatra rehetra. Inona no tanjona ara-pahasalamana? Ny famaritana ny tanjona ara-pahasalamana dia antoka iray hatrarana sy havitàna zavatra iray, noho izany dia zava-dehibe ny hanana fahasalamana : Fahasalaman'ny vatana, saina, fo, fanahy...
Aretina mpahazo olona maro maneran-tany ny fahenoana feo ao anaty sofina izay tsy fandre, ny 10% ny olona any Japon sy Amerika no tratrany, 70% ny ao Frantsa, ary 15% ny eto Afrika. Ny antony mahatonga azy dia mety ho tai-tsofina, tafiditry ny zavatra, misy tsimok'aretina, maniry loatra ny taolan-tsofina, voadona mafy, avy amin'ny toerana be tabataba, fahanterana, vokatry ny tsy fahazakana fanafody. Misy karazany roa ny fitrangany : Ny marary ihany no maheno, ary ny iray ny mpitsabo ihany koa mahare ilay feo...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco