Manana anjara toerana lehibe ny fahazarana eo amin'ny fanabeazana. Mety hanova ny zavatra maro ny fahazarana ohatra hoe ny ankohonana manana fahazarana miteny ratsy dia manana zanaka voabe mahay miteny ratsy ihany koa. Ny ankohonana no sekoly voalohany ary tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazana. Ilaina ny mitaiza ny ankizy hanana fahazarana anefa tsara kokoa raha hazavaina tsara amin'ny ny antony tokony hanaovana ho fahazarana ny fihetsika iray...
Ny 11 febroary dia andro maneran-tany natokana hatsiarovana ny marary rehetra. Maro ny aretina mateti-pitranga rehefa fahavaratra, isan'ireny ny aretim-pivalanana, areti-koditra, aretin'ny taova-pisefoana, ary ny tazomoka. Mampiabo ny fipariahan'ny aretina rehefa fahavarana ny fikorontanan'ny tontolo iainana : rivotra maloto, rano miandrona sy maloto, ny fiovaovan'ny toetrandro, fifandimbiasan'ny hatsiaka sy ny hafanana.
Ny fahatsarana eo amin'ny tokantrano dia toy ny mandeha ho azy, avy amin'Andriamanitra ny fahatsarana. Ny fahasarotana dia ilay tsy araka ny nandrasantsika sy tsy nampoizintsika. Sedra tsy maintsy andalovana izy ireny ka mila mifikitra amin'Andriamanitra hatrany amin'ny famahana izany. Ny fahatsarana sy ny fahasarotana dia samy mamolavola ny tsirairay hanamafy ny fifankatiavana eo anivon'ny tokantrano...
Manimba ny fahasalamana ny fanaovana dokotera tena. Maro ny olona tonga eny amin'ny tobi-pahasalamana no efa ao anatin'ny fahasarotana fa tsy ilay fiatombohan'ny aretina intsony, izany hoe notsaboina tany an-tranony tany foana ny marary. Ny hoe manao dokotera tena dia ireo olona mamaritra samy irery ny aretiny na koa mitsabo sy mampiasa fanafody tsy nandalo fizahana teo anatrehan'ny mpitsabo niofana. Ny famaritana ny fototr'aretina dia ny mpitsabo "dokotera" no efa voatokana hanao izany raharaha izany. Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco