Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...

Hatao eto Antananarivo ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy andiany faha-3 na JNE Mada-III, manomboka ny 26 jolay hatramin'ny 30 jolay 2023. Tsy maintsy hamafisina ny fanomanana. Mifanindry ny fotoana hanatanterahana ny JNE sy ny vaksiny faobe ka izay no ilana ny fanentanana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-terana Arrupe Madagasikara.

Ny fanararaotana dia mety ho amin'ny lafiny tsara fa misy koa ireo manararaotra amin'ny ratsy. Koa araraoty ny andro azo hanaovana soa. Tsy lavitra izany ny fahasarotam-piaro, indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ny aretina "mycoses" dia misy mandavan-taona, indrindra amin'ny vanim-potoana fahavaratra satria mafana no misy hamandoana mandritra iny fotoana iny. Mety ho tratran'ity aretina ity daholo ny sokajin-taona rehetra. Mety miverim-berina. Mifindra amin'ny olona samy olona amin'ny alalan'ny fifampikasoana na fampiasana ireo zavatra iombonana. Ny olona mety handairany kokoa : olona malemy hoditra, ireo manana olana amin'ny fikorinan'ny ra... Ireo karazana mycoses : bucales ao anaty vava, vaginales/génitales amin'ny taovam-pananahana, cutanées eny amin'ny hoditra. Fambara : Mangidihidy, mamaivay, manaintaina...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...