Manan-karena amin'ny hazan-dranomasina sy hazan-dranomamy ny Faritra atsimo atsinanana saingy olana ho an'ny mpanjono madinika ny fahitàna lalam-barotra andefasana ny vokatra. Hita ao amin'ny Faritra atsimo atsinanana avokoa ny hazan-dranomasina fanondrana ary isan'ny manana ny kalitao tsara izy ireo. Ao no ahitana ny orantsimba na ny "langouste" tena tsara kalitao indrindra ka isan'ny ahondrana atsy La Réunion ny vokatra. Manan-karena patsabe sy patsamena ihany koa ity faritra ity...

 

Nahatratra 40 taonina ny vokatra langouste niakatra tamin'ity taona ity saingy olana hoy Andriamatoa Rafamatanantsoa Tombovelo Sylvestre, lehiben'ny sampandraharaham-paritra misahana ny jono sy ny fiompiana hazan-drano ao atsimo atsinanana, ny fahavitsian'ny mpandraharaha maka ny vokatra. Amidy mora eny an-tsena ny vokatra rehefa tsy misy mpandray araka ny fanazavany.

Mamaha olana ny mpanjono ny fanaovana foto-drafitr'asa fampangatsiahana ny vokatra azon'izy ireo hoy hatrany Andriamatoa Rafamantanantsoa Tombovelo Sylvestre, lehiben'ny sampandraharaha misahana ny jono sy ny fiompiana hazan-drano ao atsimo atsinanana. Efa mametraka izany ao atsimo atsinanana ny fitondrana. Misy koa ny tantsoroka ataon'ny tsy miankina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...