Nahazo vokatra tsara amin'ny fikarohana nataony momba ny zezika kankana Andriamatoa Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Nivoatra dia nivoatra mantsy ny vokatra azo na tamin'ny fiompiana kankana na ny famokarana zezika ary indrindra ny vokatr'izany tamin'ny fampiharana azy amin'ny fambolena...

Manao ny tomban'ezaky ny Fandaharana EVA niandraiketany ny solontenan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastooralin'ny Fahasalamana. Tsiahivina ny loha-hevitra nifampizarana nandritra ny taona ary angatahina amin'ny mpihaino ny heviny sy ny soso-kevitra hanatsarana sy hifampizarana amin'ny taona ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

Manana ny toerana manokana ary manan-danja ny safidy eo amin'ny fanatsarana ny fiainana. Aoka tsy hatao ambanin-javatra ny safidy ary mizàra maneho safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin-Ramatoa Margo. Ny fanomezana omena ny mpampianatra dia tsy tokony hiteraka fitanilana amin'ny fitantanana sy fanabeazana ny mpianatra. Ny fifohazan'ny fitiavana dia tsy misy lasitra na taona voafetra fa samy manana ny toe-pony ny olona rehetra. Amin'ny fitaizana ny zanaka dia mila manao ezaka ny ray aman-dreny na ireo tompon'andraikitra mba tsy handainga amin'ny mety ho famitàna zavatra iray. Tokony ho filamanatra foana ny raiamandreny sy ny mpampianatra... 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...