13 desambra 2023 — Alarobia, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 28-30)

“Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho”, hoy i Jesoa. Mampianatra antsika i Jesoa mba ho mora fo tahaka Azy. Ny tena mpampianatra dia manoro ny làlana mitondra mankany amin’ny fiadanana. Ka miseho eto ny maha mpampianatra an’i Jesoa, mpampianatra manome fiadanana. Tsapany ny fahorian’ireto vahoaka manaraka Azy sy mihaino Azy. Vahoaka tso-po nefa vesaran’ny tsindry isan-karazany. Ankoatra ny fahantrana ara-batana mahazo azy ireo dia vesatra ihany koa ny andinin-dalàna amin’ny antsipiriany tsy maintsy hiainan’izy ireo amin’ny maha Jody azy. Ny lalàna mantsy no lazaina hoe “entana” eto, satria mavesatra tokoa ny fitandremana azy miaraka amin’ny fitsipika maro nampian’ireo Farisianina. Ary efa tany amin’ny Testamenta Taloha no efa fanoharana mateti-piavy eo amin’ny mpampianatra Jody ny hoe “jiogan’ny lalàna” (Sof 3, 9 sy Sir 51, 26). Hoy izy milaza azy: “Aondreho eo ambany jioga ny vozonareo ary aoka handray fampianarana ny fanahinareo”.

Te hanafaka azy ao anatin’izany i Jesoa, ka manoro ny làlana tokony hizorana; satria tsy afaka ny hiaina tsy misy lalàna isika fa tsy maintsy mipetraka io, hoy i Masindahy Robert Bellarmin. Fa inona àry, no fomba hiainana azy mba tsy ho geja sy vesatra tokoa? Dia ny jiogam-pitiavana na ny lalàn’ny fitiavana no ampianaran’i Jesoa antsika: halem-panahy sy fanetren-tena. Toetra roa sarotra hiainana ireo kanefa mandavorary ny fitondran-tenantsika. Tsy tonga ho azy ao amintsika ireo toetra roa ireo raha tsy irintsika, tsy tonga ho azy ao amintsika raha tsy angatahantsika amin’Andriamanitra ary tsy tonga ho azy raha tsy omen'Andriamanitra antsika. Fa toetran’Andriamanitra mihitsy ireo. Malemy fanahy amintsika Izy ka tsy mitsahatra mamindra fo antsika sy mangoraka antsika. “Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona”, hoy Izy, (Os 6, 6); ary “raha fantatrareo izany dia tsy nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo” (Mt 12, 7). Ary ny fanetren-tena no nidinany tety amintsika mba hanavotra antsika. Tsy hitsara no nahatongavany fa hamonjy. Fanetren-tena lehibe izany. Dia hoy i Masindahy Paoly milaza azy: “Na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy (...), dia nialàny izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona (...) ary nilatsa-tenany ho ambany ho famonjena antsika eo amin’ny hazofijaliana” (Fil 2, 6). Araka izany àry, dia aoka isika handray ny fampianarana omen’i Kristy antsika: halemy fanahy sy hanetry tena; ary aoka isika hiara-dalana amin’Andriamanitra raha te hahazo fiadanana sy fitsaharana ho an’ny fanahintsika. Satria Izy Andriamanitra no fototry ny fitsaharana sy ny fiadanana. Hoy Andriamanitra: “Ny tavako no handeha hiaraka aminao, ary homeko fitsaharana ianao” (Eks 33, 14). “Fa mamy noho ny tantely ny fahatsiarovana ahy ary noho ny toho-tantely ny fananana ahy” (Sir 24, 19). Koa rehefa miaraka amin’Andriamanitra sy mianatra Azy isika, dia izao no hiseho hoy i Izaia Mpaminany: “Ny entan’i Asora hoesorina eo an-tsorokao; ary ny jiogany eo amin’ny vozonao” (10, 27); dia ny fanalan’i Jesoa Kristy ny jiogan’i Satana sy ny fahotana amin’ny olon-drehetra manaraka Azy izany.

Koa raiso àry, ny fampianaran’i Kristy antsika fa fototry ny fahalavorariantsika ny halem-panahy sy ny fanetren-tena. Hoy indrindra i Masindahy François de Sales manamafy an’izany: “Ny fanetren-tena mandavorary antsika mankamin’Andriamanitra, ary ny halemem-panahy na ny hamoram-po kosa mandavorary antsika mankamin’ny namana”.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...