4 aogositra 2024 — Alahady Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 24-35)
Ny fifandraisana hita ao amin'ny vavaka na ny Salamo dia fifandraisana manokana, ilay atao amin'ny teny vahiny frantsay hoe "relation interpersonnel. Ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra dia akaiky, toy ny fifandraisan'ny mpifankatia, findraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka ; eo anatrehan'Andriamanitra isika dia malala. Tsapan'ny olona tsara io fifandraisana io ao amin'ny Salamo, Andriamanitra tsy mba mandao. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
3 aogositra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)
Ny vavaka dia resaka amin'Andriamanitra, fanondrotana ny fanahy mankany amin'Andriamanitra ; ny Salamo dia pôezia sy tononkalo natao ho hiraina, izay mila aingam-panahy. Misy karazana endrika maro ao amin'ny Salamo : misy ny Salamon'ny mpanjaka, misy ny fidirana ao an-tempoly, misy fanao amin'ny fivahinianana masina, misy hiran'ny Siôna, misy fampitana hafatra sy lesona. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco