Alatsinainy 20 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38
Ny tovolahy maniry ny hiofana ho pretra dia tokony olona salama, manana tanjaka. Anatin'ny fepetra tokony ananana ihany koa ny taona sy ny fahalalana. Taona iray aorian'ny bakalôrea dia miroso sy miofana ao amin'ny seminera propededika. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alahady 19 desambra 2021 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-45
Tsy ny pretra diôseziana ihany no antsoina hoe pretra eto Madagasikara, fa maro ny fikambanana mampiofana pretra. Misy maha samihafa azy ny pretra relijiozy sy ny diôseziana ; ohatra ny relijiozy dia manaraka ny fiainam-pikambanana misy azy, manana haim-panahy ho azy manokana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco