Araka ny voalazan'i Md. Paoly amin'ny taratasy nosoratany hoe " fa izahay moa mpiara-miasa amin'Andriamanitra ; ary ianareo kosa sahan'Andriamanitra sy trano arafiny" (I Kor 3,9), HIta fa misy fifandraisana sy fiaraha-miasa manaraka rindrandamina sy maharitra eo amin'ny mpiara-miasa dia  ny eo amin'i Jesoa Kristy sy ny mpianany. Tanjona iray no iraisana dia ny mba hampivaotra ny tsirairay. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Talata 17 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 23-30

Tsy maintsy manova famindra isika mba hitandrovana ny soa iombonana. Manoloana ireo olana lehibe miseho eo amin'ny "tranobe iombonana" dia mitaky ny fiovan-toen-tsaina azo tsapain-tanana ny fiangonana. Fomba fiaina lavitry ny fitiavan-tena sy fanamparam-pahefana ary mitsinjo mandrakariva ny any aoriana. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.

Alatsinainy 16 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 16-22

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...