Mba hampiroborobo ny antso ho pretra dia isan'ny takiana amin'ireo voaantso ireto : Mampianatra ny olona hidera ny Ray, mamangy sy mikarakara ny marary, manampy ny reny misedra fiainana, fanomezana sakafo ny ankizy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Talata 4 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 34-44
Rehefa any amin'ny Seminera dia anjaran'ny fivondronamben'ny eveka isam-paritra no manomana ny taranjam-pampianarana sy ny dingana hirosoana mba ho pretra araka izay lazain'ny Papa hoe olon'ny hafaliana. Tsapa fa maharitra ny taom-piofanana ary maharary antsika raha misy Seminarista manapa-kevitra tsy hanohy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Alatsinainy 3 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Ny olona iza nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny mazava — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 12-17. 23-25
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco