Voahaja ny hasin'ny fahafahana, izay maneho fa tokana aman-tany ny isam-batan'olona, rehefa avela hanatanteraka ny antso niantsoana azy manokana ny tsirairay ao amin'ny fiaraha-monina ; rahefa avela hikaroka ny fahamarinana izy ary hanambara am-pahibemaso ny hevitra ijoroany ara-pivavahana, ara-kolontsaina ary ara-politika ; rahefa tsy tampenam-bava. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 19 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 46-50
18 jolay — Zafikelin’i Radbod i Frédéric. I Masindahy Richfried no nanabeaza azy, eveka tao Utrecht izy io. Nohamasinina ho pretra izy ary fanta-daza tamin’ny fifehezan-tena mafy. Nolaviny ny fifidianana azy ho eveka tao amin’ny diosezy.
Ao amin'ny olombelona, ny fahafahana dia famantarana ambony dia ambony an'ilay endrik'Andriamanitra. Noho izany, famantarana ihany koa ilay fahamendrehana tsy anoharana ananan'ny olona tsirairay. Ampiasana ny fahafahana eo amin'ny fifandraisan'ny samy olombelona, manana zo voanjanahary ho raisina ho olona afaka ny tsirairay. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco