08 marsa — Raha fintinintsika fohy ny tantaran'i Masindahy Jean de Dieu dia teo amin'ny fahavalo taonany no nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny izy. João Cidade no tena anarany ary teraka tao Portugal izy.

I Jesoa Mpisorona mampianatra antsika hivavaka lalandava ary noraisin'ireo mpianany ka amporisihiny antsika mba hivavaka lalandava. Tsy afaka hitonona ho kristianina isika raha tsy mivavaka ary ny fiainam-pinoantsika dia marefo raha tsy mivavaka isika. Io vavaka io no anisan'ny asa voalohany takiana amintsika kristianina hanehoantsika ny finoantsika... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

8 marsa 2025 — Sabotsy, manaraka ny Lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 27-32)

07 marsa — I Perpétue sy Félicité dia martiry afrikanina voalohany voarakitra an-tsoratra ny namonoana azy. I Perpétue dia "patricienne" fa i Félicité kosa dia andevo. Nangataka hatao batemy tamin'ny eveka tao Carthage izy roa ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...