Sabotsy 29 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 1. 7-11
28 ôktôbra — Ankalazaina miaraka ny fetin'ireto Apôstôly ireto noho izy ireo niara-niasa tamin'ny fampibebahana ireo jentily. Avy any Canaan i Simon ary nomena anaram-bositra hoe "cananéen" mba hanavahana azy amin'i Simon Pierre. I Jude indray dia rahalahin'i Jacques sy i Siméon, ilay eveka tao Jerosalema.
Ireo fepetra hanampy antsika hahalala fa avy amin'Andriamanitra ny fanahy manosika antsika : Fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, fahalalana onona. Mikatsaka hatrany ny fiombonana ao amin'ny Fiangonana. Manaiky an'i Kristy amim-pinoana sy amim-pitiavana ary mampiely ny fiandrianany. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Zoma 28 ôktôbra 2022 — Masindahy Simon sy Jude, Apôstôly — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo ; ny antokon'ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco