04 desambra — Jean Mansour no anaran'i Jean Damascène, niaina tamin'ny taonjato fahafito sy fahavalo izy io. Fianakaviana andriana sady kristianina no nipoirany, ary tany Damas, Syrie izy no teraka, ka izay no nahatonga ny fanampin'anarany hoe Damascène.
Ny fitiavana araka ny Evanjely ihany no afaka manome lanja ny fiainana andavanandro. Ny Fitiavana araka ny Evanjely dia : ny fitiavana an'Andriamanitra, ny fitiavana ny namana, ny fanaovana asa soa tsy mitaky valiny, ny fitiavana ny fahavalo sy mivavaka ho azy, ary ny mahafoy ny aina tahaka an'i Kristy teo ambony Hazo Fijaliana. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Alahady 4 desambra 2022 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 3, 1-12
03 desambra — Teraka tao Navarre ny 07 aprily 1506 i François Xavier. Francisco de Jasso y Azpilicueta no anarany. Nanana lapa ny rainy Juan de Jasso. Avy amin'ny fianakaviana tao Basse-Navarre izy. Ny reniny kosa, María de Azpilicueta, avy amin'ny fianakaviana tao Baztan.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco