Raha ity lohahevitra ity no raisina dia azo ambara fa maneho ny maha izy ny kristianina tsirairay avy ny fanajana ny tontolo iainana. Izany hoe: mamaritra ny toe-piainana sy ny adidy tokony atao mba ho voninahitr’Andriamanitra voalohany indrindra ary ny faharoa dia mba ho fiadanana ho antsika olombelona. Ny hoe kristianina dia tsy hoe mankatoa an’A/tra fotsiny, fa manaja ihany koa ireo noahariany. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
3 jolay 2023 — Masindahy Tômà, Apôstôly — Fety — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita, hoy ny Tompo; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 24-29)
Ny zava-boahary, tontolo iainana dia midika hoe : fanomezan'Andriamanitra ankininy amin'ny olombelona ; asan-tanan'Andriamanitra ; voninahitr'Andriamanitra, itarafana ny hatsarany ; soa ho an'ny olombelona ; adidy sy andraikitry ny olombelona indrindra ny fikarakarana sy ny fampivoarana azy ; voalahatra ho amin'ny famonjena ; manampy ny olona amin'ny litorjia, miray feo aminy midera ny Mpahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
2 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo. Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 37-42)
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco