8 septambra 2023 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 1-16. 18-23)

Zo fototra iorenan'ny fiainam-pianakaviana ny asa, ary miantoka ny fizotry ny fanabeazana. Mifamatotra sy mifampiankina ny fiainan'ny fianakaviana sy ny asa. Mba hananan'ny olona tsirairay ny vintana mitovy sy ny haja sahaza dia ilaina mametraka pôlitika mahomby momba ny asa ; ilaina izany mba ho fanomezana vahana ny maha-fototra ny fianakaviana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

7 septambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)

Adidin'ny Fanjakàna ny manohana ny orinasa osa ; ohatra amin'ny lafiny fitaterana. Fitsinjovan'ny Fanjakàna ny vahoaka ny fanohanana ny orinasa. Misy ny fifanekena mitandro ny zo hanana asa, fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Anatin'ny fifanekena no hametrahana ny fanajana ny zo sy ny hasina ary ny rariny ho an'ny mpiasa sy ny mpampiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...