21 ôktôbra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)

Ry mpihaino hajaina, rahefa avy nihaino fampitandreman’ny Evanjely teo isika dia afaka mandinika ireto teny telo ireto: ny fankatoavana an’i Kristy, ny fanajana ny Fanahy Masina ary ny fahasoavana omen’ny Fanahy Masina.

Ny fankatoavana an’i Kristy dia azo adikantsika hoe tsy fandavana azy izany hoe ny fanekentsika azy ho Andriamanitra sady olombelona, fanekentsika azy ho ilay zanak’Andriamanitra, fanekentsika azy ho ilay irak’Andriamanitra, fanekentsika azy ho ilay Mpamonjy antsika. Ny fanekentsika azy Kristy izay azo adikantsika hoe tsy fivadihana aminy na amin’ny mora na amin’ny sarotra eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Izany hoe ny fanekentsika dia midika ho fijoroantsika ho vavolombelony isan’andro ka mahatonga antsika ho martiry, midika hoe mahafoy ny aintsika ho azy mihitsy eo anatrehan’izao tontolo izao. Izany fanehoantsika finoana lehibe eo anatrehan’izao tontolo izany dia mahatonga antsika hahazo ilay fiainana mandrakizay. Hoy i Jesoa: “Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hoeken’ny Zanak’olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra.” Ny maha kristianina antsika dia tsy anarana fotsiny fa tena fiainana mihitsy, ka aseho amin’ny fiainana andavanandro. Tsy voatery ho latsa-drà ihany ny martiry fa efa manao ny fiainantsika ho martiry isika amin’ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra amin’ny fiainana andavanandro, amin’ny fanolorantsika ny tenantsika amin’ny fanampiana ny hafa.

Manana anjara toerana toy izany koa ny Fanahy Masina, tsy iza ny Fanahy Masina fa ilay lazaintsika hoe ilay olona fahatelo amin’ny Trinite Masina. Izay mino ny Trinite Masina dia mino an’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Hoy i Jesoa : “Tsy havelako ho kamboty ianareo fa ho eo aminareo mandrakariva aho”. Izay mino an’i Kristy, izay mandray Azy dia mino koa ny Fanahy Masina sy mandray Azy. Noho izany izay mandà ny Fanahy Masina dia mandà koa an’i Kristy ary mandà an’Andriamanitra. Io ilay hoe miteny ratsy ny Fanahy Masina, miteny ratsy an’Andriamanira mihitsy ka tsy hahazo famelan-keloka.

Miara-dàlana aminitsika mandrakariva Andriamanitra ankehitriny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izany no mahatonga antsika miantso Azy isan’andro ary Izy mihitsy no mpisolovava antsika amin’ny andro sarotra. Izany hoe izay manenjika ny Eglizy, vatan’i Kristy, tempolin’ny Fanahy Masina dia manenjika an’Andriamanitra. Izay mino Azy Andriamanitra dia mino ny Fanahy Masina sy ny fahasoavana avy aminy izay mahatonga antsika ho vavolombelony.

Ry Fanahy Masina ô, matoky ny asanao mahagaga izahay eo amin’ity fivahinianana eto an-tany ity. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...