22 febroary 2024 — Ny Fiketrahan'i Masindahy Piera Apôstôly — Fankalazana — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

Ny voka-dratsin'ny zava-mahadomelina rôrô dia maro, isan'ireny ny tsy fahitan-tory, ny fahatapahan'ny lalan-drà, ny olana ara-pananahana amin'ny lehilahy, ny tsy fahampian-tsakafo, lasa tsy ara-dalàna intsony ny fandehanan'ny fadimbolana ho an'ny vehivavy, ny fitempon'ny fo tsy araka ny tokony ho izy, mety hijanona tampoka ny fo. Ny rôrô dia mety hanimba ny zaza ao ambohoka ho an'ny bevohoka... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

21 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)

Misy voka-dratsy miantraika amin'ny vatana ny fandraisana zava-mahadomelina : miharatsy ny torimaso, aretin'andoho, miadana ny fofonaina, maloiloy sy te handoa, mora tezitra kely , mahatsapa mavesatra eo amin'ny sandry sy ny tongotra, mangidihidy ny vatana na mahatsapa mafana ny hoditra. Rehefa midoroka loa ny rôrô dia mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny vatana sy ny saina... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...