24 febroary 2024 — Sabotsy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)
Ny fisotroana toaka be sy tsy tapaka dia mampitombo ny mety hisian'ny aretina maro toy ny homamiadana, aretim-po. Ny toaka dia miteraka poizina lehibe ho an'ny fo ary mampiakatra ny tosi-drà ka mety hiteraka aretina hafa. Ny fisotroana toaka dia miteraka tebiteby lava, lasa ketraketraka, mikorontana ny fitondran-tena ka lasa tsy mahafehy tena intsony... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
23 febroary 2024 — Zoma, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
Maro ny olona miteny fa ny fisotroana toaka dia fialana hetaheta sy fialan-tsasatra miaraka amin'ny tapaka sy ny namana. Ny toaka dia anisan'ny zava-mahadomelina be mpanjifa indrindra maneran-tany nefa tena loza mitatao ho an'ny fahasalamam-bahoaka sy ny fifamoivoizana ny vokatra aterak'izy io. Maro ny misotro toaka noho ny olana mba tsy ahatsiarovany izay manjo azy... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco