Alarobia 19 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 39-48

Talata 18 ôktôbra 2022 — Masindahy Lioka, evanjelistra — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 1-9

Alatsinainy 17 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 13-21

Alahady 16 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...