Alahady 16 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8

Amin’ny fiverenan’i Jesoa am-boninahitra, moa hahita finoana ento ambony tany ve Izy ? Ny fotoantsika isan’andro vaky dia fotoana sarobidy hametrahantsika fanontaniana mahakasika halalin’ny finoantsika. Satria raha tsy lalina ny finoantsika, raha tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’i Jesoa ny finoantsika dia tsy ho afaka na oviana na oviana hamaly ity fanontaniany napetrany amintsika tsirairay avy ity. Indrindra fa am’izao vanim-potoana iainantsika izao dia marefo tokoa ny finoantsika, mitady ho levonin’ny fomba fisainan’izao tontolo izao. Ka izany indrindra, hoy i Jesoa amintsika androany, no antony tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana. Ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra isan’andro ao anatin’ny vavaka sy ny fiainana ireo sakramenta atolotry ny Fiangonana ho antsika no mahamafy sy mahalalina ny finoantsika, ny fanatanterahana izany rehetra izany no hampaharitra ny finoanao sy ny finoako. Ka tokony hatoky an’Andriamanitra isika satria misy valiny mandrakariva ny vavaka atao amim-paharetana sy amim-pitokiana an’Andriamanitra. Ilay fanoharana nampitain’i Jesoa antsika tamin’ny Evanjely dia manampy antsika hahazo ny dikan’ny mivavaka lalandava sy amim-paharetana. Henontsika teo fa tsy nitsahatra nankao amin’ilay mpitsara ilay mpitondratena, mandram-pahazony rariny. Noho ny fiverenan’ity vehivavy mahantra matetika tao amin’ity mpitsara tsy matahotra an’Andriamanitra sy lozabe ity dia nahita ny rariny sy nihaino azy ilay mpitsara, ka mainka ve fa Andriamanitra no tsy hihaino antsika rehefa mitotototo mankeo aminy isan’andro isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...