Alahady 01 marsa 2020 — Alahady voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 1-11 — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Sabotsy 29 febroary 2020 — Sabotsy manaraka ny lavenona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 27-32 — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra, fa mamidra fo sy miantra Aho.

Zoma 28 febroary 2020 — Zoma manaraka ny lavenona — Evanjely Masina nosratan'i Masindahy Matio 9, 14-15 — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra.

Alakamisy 27 febroary 2020 — Alakamisy manaraka ny lavenona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 22-25 — Sambatra izay mitandrina ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin'ny faharetana.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...