Alakamisy 27 febroary 2020 — Alakamisy manaraka ny lavenona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 22-25 — Sambatra izay mitandrina ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin'ny faharetana.

0 : 00

Ambaran’i Jesoa amin’izao ny mpianany fa lalana telo no tsy maintsy hizorany: ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan-ko velona. Etsy andanin’izay anefa  ny fandavana ny tena sy ny fitondrana ny hazofijaliana isan’andro no lalana atorony ho antsika raha te hanaraka azy.

Mandritra izao karemy izao tokoa àry, dia ireo no lalana halehantsika hahatongavana any amin’ny Paka, ilay antoky ny famonjena antsika. Ny fandavan-tena dia midika fa matoky tanteraka an’Andriamanitra sy vonona hanao ny sitrapony isika. Tsy vitantsika olombelona tokoa ny mamonjy ny tenantsika, noho izany  ilaina tanteraka ny miankina aminy. Ary  i Jesoa no efa nilaza fa izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy. Aorian’ny fandavana ny tena, dia ny fitondrana ny hazofijaliana no lalana  ho antsika mankany any amin’ny famonjena. Io dia izy Jesoa mihitsy no nampianatra antsika an’izany rehefa nahafoy ny ainy  ho antsika olombelona  rehetra izy. Ny fiainana kristianina dia mitaky ezaka ho fitiavana an’Andriamanitra sy ny hafa.

Fanomezan’Andriamanitra Ray ho antsika ny fiainana an-tany ary i Jesoa no nanoro antsika  ny tokony atao eto amin’ity fiainana ity satria  ny fiainantsika olombelona dia tsy mikombona ho antsika irery ihany na tapitra eto an-tany fa fiainana misokatra ho any amin’ilay fiainana mandrakizay.

Miaina isika mba ho fitiavana an’Izy Andriamanitra ary na dia hiafara amin’ny famoizana ny aina tahaka ny nataon’i Jesoa ary izany. "Izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy".

Ny fitondrana ny hazofijaliana dia fandavan-tena sahady. Atambaro amin’ny fijalian’i Kristy àry ny fijaliantsika amin’izao karemy izao satria tsy mora tokoa ny manara-dia azy. Araho àry i Jesoa Kristy amin’ny lalan’ny hazofijaliany mba handraisantsika anjara amin’ny fitsanganany ho velona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 jolay 2024

♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...