Alahady 01 marsa 2020 — Alahady voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 1-11 — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

0 : 00

Ry Kristianina Havana! Miaraka amin’i Matio isika amin’ity herinandro voalohany fanombohana ny fotoana tsara indrindra hanampy antsika hibanjina ny androm-pamonjena ho antsika ity. Tiana hatrany ny mamerina ny antso ho antsika amin’izao karemy izao dia ny fibebahana sy ny finoana ny Evanjely. Mahasahana lafiny maro amin’ny ezaka ataontsika kristianina hitodika any amin’ny Ray ireo teny roa manentana antsika ireo.

I Jesoa nalaina fanahy fa nandresy ny fakam-panahy kosa no vontoatin’ny Evanjely naroso ho antsika teo. Misy dingana roa lehibe ao izay mahakasika tanteraka ny lafiny maha olona sy maha kristianina antsika: olona alaim-panahy ary misedra ny fakam-panahy maro fa nantsoina kosa mba hiady amin’izany fakam-panahy sy fisedrana ataon’ny demony antsika izany noho isika kristianina ka nomena maimaim-poana ny finoana. Io finoantsika io izany mitaky fisedrana satria raha finoana tsy voasedra tsy mafy orina sy mijoro tsara ary tsy manampy antsika hahazo famonjena. Anisan’izany ny fakam-panahy ary fotoana hibanjinantsika izany sy hanampy antsika hiady amin’izany izao karemy izao ary fakan-tahaka na fitaratra lehibe ho antsika i Jesao araka ny Evanjely naroso nohenointsika teo.

Araka ny fitantaran’i Matio Evanjelista azy moa dia avy natao Batemy i Jesoa izao nentin’ny Fanahy nitokana tany an’efitra nandritra ny 40 andro sy 40 alina izao. Ny tanjon’i Jesoa dia nitokana nivavaka toy ny manao laretirety satria hanomboka hanao ny asa hanirahan’ny Ray Azy Izy aorian’io fitokanana io. Ary tao anatin’izany no nisehoan’ny demony naka fanahy azy. Fampianarana ho antsika sahady izany: aoka isika hanaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva satria tsy hitarika antsika amin’ny ratsy izany Fanahy izany tahaka izao nataon’i Jesoa izao. Henoy ny bitsiky ny Fanahy noraisintsika tamin’ny batemy ary miasa isan’andro ao amin’ny feon’ny fieritreretantsika ao.

Nalaim-panahy i Jesoa teto ary nandresy hatrany ny fakam-panahy natao azy izy. Mazava ho azy fa mbola teo mandrakariva ny Fanahy izay nitarika azy nankany an’efitra ary nanampy azy tamin’ny fanoherana ireo fakam-panahy naseon’ny demony ireo. Ny zavatry ny tany foana matetika no hisarihan’ny demony antsika ary asehony amin’ny endrika tsara sy mahafinaritra ary mahasarika. Hany ka raha tsy mafy orina ny Fanahy ao amintsika ao dia resiny isika. Ilaina mandrakariva noho izany ny Fanahy Masina hanampy antsika hiady amin’ny fakam-panahy sy ny sedra rehetra.

Tsy afaka amin’ny fakam-panahy ny fiainantsika raha mbola eto amin’ity izao tontolo izao ity. Ary aza adinoina fa feno ny fandriky ny demony izao tontolo izao ka mila antsika vonona hiady izany. Raha tsy miady isika tsy mandresy hoy Md Augustin koa aza miady irery ary fa ampiasao ny apinga tsara dia ny vavaka sy ny Fanahy Masina ary ny Finoana vokatry ny Tenin’Andriamanitra mba handresentsika ny ratsy rehetra toy ny nataon’i Jesoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...