Ny hoe "manaiky" dia mankatoa sy mandray ary miaina izay nambara. Misy olona maromaro voarakitra ao amin'ny Soratra Masina, izany hoe manambara olona ny teny. Ny baiboly no mirakitra ny Tenin'Andriamanitra. Ny Testamenta Taloha dia mirakitra ireo fanomanana lavitr'ezaka ny hatongavan'i Jesoa ety an-tany. Ny Testamenta Vaovao dia fitoriana ny momba Azy Andriamanitra. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Avy amin'ny toetra tsy manan-tsiny no nahazoana ny hatsaram-panahy maha bitika. Fanomezan'Andriamanitra sarobidy izy io kanefa mora simba raha tsy arahana fanabeazana dieny mbola kely. Ny hahafantarana ny hatsaram-panahy mha bitika dia ireto avy : ny fahatsoran-toetra, ny fanetre-tena sy ny fanompoana ny hafa, ary ny fahafoizana tsy misy kajikajy na tambiny. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

Ankoatra ny fisian'ny fifampitsimbinana ao anatin'ny fianakaviana dia miteraka fifanajana sy ny fanomezan-danja ny talentan'ny tsirairay ihany ko any hatsaram-panahy maha bitika. Miteraka fitonian-tsaina ihany koa ny fananana an'ity hatsaram-panahy maha bitika ity satria manarak ny fandaharan'Andriamanitra ny fiainany izy. Manamafy ny finoan'ny mpianakavy ihany koa izy io. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

Afaka mianatra ny fanetre-tena amin'i Masina Maria ihany koa ny mpianakavy. Nasehony nandritra ny fampakaram-bady tao Kanà, fa ny fikatsahana soa ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ny tena fotsiny no atao hoe fanetre-tena. Afaka mianatra  fanetre-tena  amin'ny alalan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ihany koa isika : fanomezana toerana bebekokoa ny hafa eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...