Manana fahamendrehana ny lahika noho izy ao anatin'ny vahoakan'Andriamanitra mitovy zo sy hasina eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Tokana ny vahoaka nofidin'Andriamanitra : tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray. Noho izany, iombonana ny fahamendrehana satria samy nateraka indray tao amin'i Kristy. Tsy misy eo amin'ny Kristy sy ny Eglizy ny fanavakavahana. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Voalazan'i Masindahy Paoly fa isika rehetra dia tsy maintsy manaraka ny marina am-pitiavana, ka hitombo hatrany amin'ny zavatra rehetra, amin'ny firaisana amin'ny Loha dia i Kristy. Izy no iankinan'ny tena manontolo, ka mahatonga ny ratsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tena amin'ny fitiavana. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Araka ny fampianaran'ny Eglizy hita ao amin'i Foto-pampianarana momba ny Fiangonana Fahazavan'izao tontolo izao, ny antsoina hoe "laika" dia ny kristiana rehetra tsy nandray ny sakramentan'ny Filaharana ary tsy anatin'ny fikambanan-drelijiozy ankatoavin'ny Eglizy. Vita batemy ao amin'i Kristy izy ireo ary misy zavatra manandrify azy noho ny anjara toerany sy ny adidiny. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

I Jesoa, Mpiandry ondry tsara, no nanorina ny Eglizy ary nataon'ny rafitra antanatohatra izany fa tsy demôkratika. Ny Papa dimbin'i Piera no Filohan'ny Eglizy sady Vikeran'i Kristy. Ny Eveka izay dimbin'ny apôstôly no Mpiandry Ondry miara-miasa akaiky amin'ny Vikeran'i Kristy. Ny Pretra dia mpanampy mhatoky sy mahefa indrindra ho an'ny Evekany. Ny Diakra dia lehilahy feno fahendrena. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...