Mampisy fifandraisana ara-pianakaviana ny fanekena hatrany ny sitrapon'Andriamanitra mba hahatsara ny fiainan-tokatrano. Ny fanabeazana ara-pinoana kristiana omena ny zaza dia manamora ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny fianakaviana,iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Ny fitiavana no hatsaram-panahy kristiana faratampony amin'ny fampianaran'i Kristy. Voafafa daholo ireo haratsiana rehetra maha olombelona rehefa ny fitiavana no iveloman'ny fianakaviana. Ny fitiavana marina no mamelona ny fihavanana tena izy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Fototra ho fampaharetana ny fihavanana ny fifandeferana sy ny faharetana, na eo aza ny hevitra sy ny toetra tsy hitovizana. Fitaovana ihany ny fandeferana sy ny faharetana fa ny fitiavana marina sy tsotra no lehibe indrindra. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamaherina Robert Maria... 

Rehefa tafahoatra ny fihatsarambelatsihy sy ny fomba amam-panao tsy voahevitra dia misavoritaka ny mpianakavy. Iretsy voalaza etsy aloha dia misy lafiny ratsy sy lafiny tsara amin'ny fifandraisana ara-pianakaviana, tahaka ny zavatra rehetra ihany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...