Hoy ny Papa François : "Eny fa na ao amin'ny Eglizy aza, dia tena ilaina tokoa ny fihainoana sy ny fifampihainoana, izany  no fanomezana maimaimpoana sy sarobidy indrindra azontsika ifanolorana". Avy amin'ny fahaiza-mihaino am-pitandremana no teraka ny "fandraisam-pitenenana mendrika". Tena ilaina ny fomba fifaneraserana mandona ny fo toy ny diloilo manasitrana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

Ny fepetra momba ny fitiavana no mampatsiahy antsika amin'ny alalan'ireo toe-piainana nasehon'i Md François sy ny asa sorany fa ny maha-isika antsika dia ny seraserantsika. Md François dia nanapariaka ireo asa sorany tamin'ireo kristiana niadidiany, izany fahaizana nananany sy talenta voajanahary amin'ny "asa fanaovan-gazety" izany no nampalaza azy. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

Anisan'ny Olomasina tena mahaliana an'i Papa François tokoa raha i Md François de Sales, Mpampianatry ny Eglizy. Nanoratany taratasy apôstôlika mihitsy aza moa ny fahatsiarovana ny faha-400 taona nahafatesan'io Olomasina iray io nomeny ny lohateny hoe "Totum amoris est". I Md François de la Sales no nosafidian'ny Eglizy ho mpiaro ny mpanao gazety katôlika. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

Indraindray ny lahateny mamy dia mandrehitra indray ny afo mitsilopy ao am-pon'ireo izay tena mafy fo. Tena ilaina amin'ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisn'ny mpiara-belona ny "miteny amin'ny fo" sy amim-pahalemam-panahy. Ezaka ny hanampiana ny olona hahay handinika tsara anatin'ny fitoniana sy hahay hamakafaka ny zava-misy. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...