Hajao sy kajio ny tontolo manodidina anao. “hevero ho toy ny tenanao ihany no iharan’izay ataonao, raha tsara dia ianao ihany no hisitraka izany, raha ratsy dia ianao ihany no ho voan’izany”. Izay tsy tianao atao amin’ny tenanao aza atao amin’ny hafa. Ohatra: ny fako ao an-trano sy eny amin’ny lalana; maloto amin’ny trano fidiovana, atoroy ny fomba tokony hatao fa tsy miteny na mandrara fotsiny. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Ny tsy fahatahorana an’Andriamanitra no mahatonga ny maro hanaonao foana, tsy handinika izay tokony hatao, tsy hatsapa izay mety hiseho sns… “Heloka sy hadisoana eo anatrehan’Andriamanitra ny fanimbana ny tontolo iainana satria famonoana ankolaka sy tsikelikeny aina izay fanomezan’Andriamanitra”. Kojakojao ny tenanao fa ianao no tontolo iainana voalohany..... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Isika olombelona dia mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Izany hoe: manohy ny asa fahariana, hanome aina sy hikolokolo an’izay nohariny. Fahefana sy tso-drano nomen’Andriamanitra antsika olombelona io, hampirindra sy hampilamina ny misy manontolo. Izany hoe: tsy hanova na hanakorotana izay nataon’Andriamanitra. Matoa tsizarizary ny fiainantsika dia satria simba ilay tontolo iainana... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Lafiny roa no azo hamaritana ny atao hoe: tontolo iainana. Ny voalohany dia ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra hivelomantsika olombelona (iankinan’ny aina) tany, rivotra, rano, afo sns. Ny faharoa dia ireo nohajarintsika olombelona : taozavatra, asa tanana, lalana sns… natao ireny mba hanamorana sy hampirindra; hanatsarana sy hiarovana ny fiainana (aina). Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco