Any amin'ny firenena sasany, dia ilaina havaozina ny fizaràna ny tany, ao anaty lasitra ara-pôlitika mahomby momba ny fanavaozana ny fizakan-tany mba hialana amin'ny tany be velarana tsy ampamokarin'ny tompony. Tsy azo ialana ara-pôlitika ny fanavaozana ny fizakan-tany satria adidy ara-môraly mihitsy. Tsy tokony hivangongo amin'ny olona vitsy ny tany. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ilaina ny manana pôlitika fitantanana ny fambolena eny ambanivohitra, ary ilàna paik'ady izany toy ny fambolen-kazo, fanaraha-maso ny doro-tanety, ny fiarovana tontolo iainana. Mba hazaoana vokatra tsara amin'ireo asa maro lafy dia ilaina ny fiofanana ho an'ny tantsaha ary atao misongadina ny toe-tsaina vonona hiotra fa tsy hiandry fanampiana fotsiny, izany hoe manaraka tondro zotra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny tontolo ambanivohitra no tena endriky ny fahariana sy fampandrosoana. Mendrika hifantohan'ny saina manokana ny asa eny ambanivohitra, noho ny anjara mbola tontosainy eo amin'ny sehatry ny fiaraha-monina sy ny kolontsaina ary ny fiharian-karena. Mila fitsinjovana manokana ny tontolo ambanivohitra sy ny asa fanao eny satria ilaina ny fanovana hatrany ifotony. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Mety ho fanoitra ho an'ny fampandrosoana ny fahatongavan'ny mpila ravin'ahitra, fa tsy voatery ho vato misakana satria misy hatrany ny fifamenoan'ny talenta sy ny fahalalana. Ny rafitra ara-panjakana, any amin'ireo tany mandray mpila ravin'ahitra dia tokony hanara-maso tsara, mba tsy hahazo vahana ny fakam-panahy hanararaotana ny mpiasa vahiny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...