Hoy ny fampianaran'ny Papa Pie XI : "zava-dehibe ny fanomezana ny tsirairay ny anjara tandrify azy, sy ny fampiharana ny fitakin'ny soa iombonana na ny rariny ara-tsôsialy, amin'ny fitsinjarana ny haren'izao tontolo izao ; satria ny tsy fitoviana mivandravandra eo amin'ny olom-bitsy manan-karena sy ireo mahantra zavon-tany. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Manome andraikitra ny olona rehetra ao anaty fiaraha-monina ny soa iombonana. Mba hampiroboroboana sy hampandrosoana ny soa iombonana dia ilaina ny fandraisana anjaran'ny olona tsirairay sy isan-tsokajiny ary ny olona rehetra, satria io no endrika firotsahan'ny olona an-tsitrapo sy malalatanana eo amin'ny fifanampiana ara-piaraha-monina. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Ilain'ny soa iombonana ny hiantohan'ny fahefana mifehy, amin'ny fomba mendrika, ny filaminan-tsain'ny mpiara-monina sy ny an'ireo mpikambana ao aminy. Ny soa iombonana no manamarim-pototra ny zom-piarovan-tena eken'ny lalàna ataon'ny tsirairay sy ny rehetra mitambatra. Hoy ny konsily :"tsy hoe rahefa tsy misy ady, na mifandanja ny hery an-daniny sy ankilany dia mandry fehizay ny tany..." Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Isan'ny singa fototra ilain'ny soa iombonana ihany koa ny fitandrovan'ny Fanjakàna ny zo fototra maha-olona. Tsy maintsy avelan'ny fiaraha-monina ny isam-batan'olona ao aminy hanatanteraka ny fiantsoan'Andriamanitra azy. Ny soa iombonana dia miorina amin'ny fepetra fampiasana ny fahafahana voajanahary : anisan'izany ny zo hanao asa amam-pihetsika araka ny fitsipika mahitsy ny kônsiansy... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...