Maro ireo nihevitra fa mpiray petsapetsa amin'ny mpanota i Jesoa Kristy tamin'ireo fanasana natrehany. Ny asa dia ahitana fifanaharana hatrany, ohatra : rehefa nantsoin'i Jesoa Kristy dia nanaiky ho diovina i Matio. Azo atao tsara ny miasa ara-pahamarinana sy ara-drariny ho fanasoavana ny daholobe.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny vehivavy jody dia tsy nanana asa, ivelan'ny tokantrano, izany hoe mikarakara tokantrano sy ny ankohonany. Manana anjara asa lehibe ny vehivavy, indrindra teo amin'ny tantaram-pamonjena ; niara niasa tamin'i Masina Maria ho fahatongavan'Andriamanitra ho nofo ny Andriamanitra Ray. Tsy azo afangaro ny adidin'ny lehilahy sy ny vehivavy.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny asam-panjakàna dia isan'ny voaresaka ao amin'ny Baiboly ihany koa dia ny niantsoan'i Jesoa Kristy an'ireo mpamory hetra. I Matio dia mpamory hetra no nantsoin'i Jesoa Kristy ary nanaiky araka nanao asa araka ny andraikitra nomena azy. Ny Polblikana dia mpiasa-panjakàna, mpamory hetra teny amin'ny seranan-tsambo, mitaky hetra mihoampapana, anefa nanaiky hiova ho mpanarato olona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny fifandraisan'ny asa sy ny vola dia hadisoan-kevitra ihany satria ny asa no talohan'ny vola. Ny vola dia vokatry ny asa. Rehefa manao ho zava-dehibe ny vola dia lasa andevon'olona isika. Ny fianakaviana masina dia efa nivelona tamin'ny asa fa tsy tamin'ny alalan'ny fangatahana teny amorondalana. Andriamanitra dia manandratra ny asa-tanana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...